<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Misaotra Anao zahay izao FFPM19</title>
<lyrics>[V1]
 Misaotra Anao izahay izao,
 Jehovah Ray !
 Fa efa notohizanao
 Ny andronay,
 Ka tonga atý an-tranonao
 Indray izahay.

[V2]
 Misaotra Anao izahay izao,
 Ry Mpanome !
 Ny soa avy Aminao
 Tsy lany re,
 Fa isan-andro misy izao
 Ka maro be.

[V3]
 Misaotra Anao 'zahay izao,
 Ry Rainay soa !
 Ny helokay navelanao
 Nefa iza moa
 No mahalaza izay natao ?
 Fa be tokoa.

[V4]
 Misaotra Anao 'zahay izao,
 Ry mora fo !
 Ny mafy tsy sakananao
 Fa mba hanjo,
 Fa be ny fanirianao
 Anay hadio.

[V5]
 Misaotra Anao 'zahay izao,
 Ry Tomponay !
 Ao aminao an-danitrao
 Honenanay,
 Fa misy fitsaharana ao
 Mandrakizay.</lyrics>
<hymn_number>19</hymn_number>
<author>F.C. Maker</author>
</song>